Ampasika: Lehilahy iray hita faty
Lehilahy iray no hita faty teny Ampasika androany 16 febroary tokony ho tamin’ny 8 ora maraina teo. Tapaka ny tanany havia ary vinavinaina ho mpitondra kodiaran-droa izy. “Manao kiraro, manao fonon-tanana tahaka ireny mpitondra moto ireny izy. Manao blouson ihany koa. Mpitondra moto izy raha ny fijery azy saingy tsy hita intsony ilay moto” hoy i Rija, mponina manodidina eny Ampasika. “Ny fanadihadihana avy amin’ny tompon’andraikitra no tena hahalalana izay tena nanjo ity lehilahy ity. Manaitra ny tompon’andraikitra anefa izahay mba hampihetsika ireo hery velona rehetra hanafoanana ny herisetra tahaka izao” hoy i Raitra, monina eny Ampasika. Matetitetika tato ho ato ny trangana tsy fandriam-pahalemana.
