ActualitésTsidika

Ambohimangakely : Manomboka miverina tsikelikely ny famatsian-drano

Nanomboka niverina tsikelikely ny famatsiana rano tao amin’ny kaominina Ambohimangakely nanomboka tamin’ny asabotsy hariva lasa teo. Nahavelom-panantenana ny mponina izany satria efa ela izy ireo no tojo fahasahiranana tamin’ny fisitrahana ny rano.

« Fokontany maromaro ao amin’ny kaominina Ambohimangakely no efa manomboka misitraka tsikelikely ny fiverenan’ny rano amin’izao fotoana izao taorian’ny ezaka fanamboarana natao teo anivon’ny Jirama, tsara anefa aloha ny manamarika noho ny olana ara-tekinika sy ny fanosehan’ny rano miakatra no tena hahatonga ny olana » hoy ny teknisianina momba ny rano ao an-toerana. « Efa nisy ezaka aloha amin’ny famerenana ny rano dia izay no tena zava-behibe aminay mponina na dia hoe mbola amin’ny ampahany ihany aza. Misy manko izao fokontany sasany mbola ambany be tsy mahatosika tsara ny fandehan’ny rano » hoy i Toavina, mponina ao Ambohimangakely.

Mitohy hatrany ny famahana ny olan’ny rano ao amin’ity kaominina ity izay efa hita hatramin’ny ela. Ny tompon’andraikitra moa etsy ankilany nanambara fa miezaka hatrany mamaly ny olan’ireo mpanjifa.

Manitra Ramanantsoa

Laisser un commentaire