ActualitésTsidika

Ambohimanambola : Ho apetraka ny lamina vaovao eny amin’ny tsena

Efa misy ny lamina vaovao napetraky ny kaominina Ambohimanambola ho an’ny filaminan’ny tsena any an-toerana. Betsaka tokoa mantsy ny fitarainana voaray izany miteraka tsy fandrosoana eo amin’ny tanàna ka tsy maintsy noraisina ny fepetra.

« Teo ny fitarainana ary nisy ihany koa ny valim-panadihadihana natao ka tsy maintsy apetraka ny lamina vaovao apetraka eto amin’ny tsena » hoy ny tompon’andraikitra ao Ambohimanambola. « Tena nikorontana mihitsy ny tsena teto, indrindra teto aminay samy mpivarotra satria nikorotana ny toerana. Miady matetika izahay eto amin’ny tsena satria miady toerana » hoy i Sylvia, mpivarotra ao amin’ny tsenan’Ambohimanambola.

« Entanina isika handray sy hamonjy ny toerany avy fa ho avy eo ihany ny kaominina hametraka ny fandaminana satria tsena mandroso no tanjona ary mila tanàna milamina isika » hoy ny avy ao amin’ny Kaominina.

Betsaka tokoa ny olona mivelona ao amin’io tsena io ka tsara raha tena ny kaominina mihitsy no miditra an-tsehatra mametraka ny fandaminana. Hamaha ny korontana efa nisy ve ity lamina vaovao ity ?

Nicole Rafalimananjara

Laisser un commentaire