Ambohimanambola : Nahazo fampitaovana ny biraon’ny zandarimaria
Nahazo fampitaovana avy amin’ny orinasa tsy miankina, Jean-Ba Mecano, ny poste Avancé an’ny zandarimaria Ambohimanambola. Omaly talata no tonga tao amin’ny biraon’ny zandary ny tomponandraikitra nanolotra imprimante ho azy ireo.
“Ho fankasitrahana ny zandarimaria sy ny fomba fiasan’izy ireo dia tonga nanatitra fitaovana ho fanamorana sy fanamaivanana ny asa izay sahanin’izy ireo” hoy ny avy amin’ny tomponandraikitra.
“Anisan’ny fihetsika mankahery sy mamporisika ny zandary hanao ny asany ara-dalana ny tahaka izao. Ny zandary dia manao ezaka hatrany mba hisian’ny fandriam-pahalemana ety an-toerana ary manentana ny mponina hiara-hisalahy hatrany mba ho filaminan’ny tanàna” hoy ny avy amin’ny zandarimaria.
Zava-dehibe ny fifanampiana sy ny fifanohanana eo amin’ny sehatra tahaka izao. Ny tao-trano tsy efan’irery, hoy ny Malagasy, ka izany indrindra no tokony hiaraha-mientana hatrany hisian’ny filaminana sy ny fampandrosoana ny tanàna.
Manitra R.
