ActualitésTatitra

Royaume-Uni : « Masters de snooker », fifaninana billard faharoa ela nisiana indrindra

Fifaninana « billard Snooker » matihanina tontosaina isan-taona ao Londres ny  « Masters de snooker ». Nanomboka ny taona 1975 izy io no nisy ary fifaninana faharoa ela nisiana indrindra aorian’ny fiadiana ny tompondaka eran-tany.

Mamonondrona ireo mpilalao sangany indrindran’ny taranja ny « Masters de snooker ». Na dia tsy tafiditra ao amin’ny filaharana iraisam-pirenena aza ny isa azo amin’io fifaninana io dia voasokajy ho isan’ireo fifaninana telo malaza indrindran’ny « Snooker » (la triple couronne) izy miaraka amin’ny fiadiana ny tompondaka eran-tany ny « Snooker » sy ny fiadiana ny tompondakan’i Royaume-Uni.

Ny 9 hatramin’ny 16 janoary 2022 teo kosa no notontosaina ny andiany faha 48 tamin’io fifaninana io. Natao tao Alexandra Palace tao Londres izany ary nibatan’i Neil Robertson ny fandresena ary nahazoan’i Yan Bingtao ny anaram-boninahitra. I Ronnie O’Sullivan hatrany koa no manana amboara betsaka indrindra amin’io fifaninanana io.

Laisser un commentaire