ActualitésTsidika

Mandoa vola dia soratana eny amin’ny moron-tsiraka ny anarana, tena misy tokoa ve ?

Malaza erakin’ny tambazotra-tserasera ny fanoratana anarana eny amin’ny fasika ka nataon’ny olona fitadiavam-bola mihitsy.

« Fanoratana anarana eny amin’ny fasika rehefa manao fialan-tsasatra », marika iray ahafantarana fa teny amoron-dranomasina tokoa ny olona iray. Maro ny olona no tsy afaka mamonjy morontsiraka amin’izao fotoan’ny fialan-tsasatra izao. Samy manana ny antony ny tsirairay. Ao ireo tsy afaka nohon’ny tsy fisian’ny enti-manana fa misy kosa ireo voatery mijanona nohon’ny fiantomoran’ny fidiran’ny mpianatra. Manararaotra kosa ireo efa eny amorom-pasika mitady vola amin’ny alalan’ny fanoratana ny anarana eo amin’ny fasika ka toy ny hoe manao fialan-tsasatra ihany na eto Antananarivo aza.

« Hanihany no niatombohan’izy io tao amin’ny tambazotra Facebook. Te hanadala ny olona tsy afaka manao fialan-tsasatra. Kinanjo tena maro ireo nandefa hafatra miafina hoe ohatrinona ny sarany fa liana. Tena natao ilay izy, ary betsaka tokoa ireo mila ity tolotra ity. Ny fialan-tsasatra vita, ny vola miditra » hoy ny fitantaran’i Michou izay manao io tolotra io any Mahajanga. Raha ny fanehoan-kevitr’ireo mpikirakira ny tambazotra Facebook kosa, toa miendrika hanihany sy fanalan’azy fotsiny ihany hay tena misy izany ireo mandefa vola amin’izany.

Zavatra hanihany tahak’izao hatrany no iatombohan’ny fahalazan’ny zavatra iray ary lasa mampidi-bola ilay izy avy eo. Mahatsiaro ho mitovy amin’ny rehetra mihitsy ny olona sasany na tsy afaka mankeny amorontsiraka aza amin’ity tolotra ity. Na izany aza, aleo mitandrina ihany ny amin’ireny olona mandefa filazana ireny satria tsy ilaozan’izay mpisoloky ny tambazotran-tserasera Facebook.

Tsangy Randriamampianina

Laisser un commentaire