ActualitésTsidika

Diana : Mitondra vahaolana ho an’ny fitakian’ny mpitsara fanadinana ny Governoram-paritra

Namory ireo mpiandraikitra rehetra misehatra eo anivon’ny fitsarana ny fanadinam-panjakana « baccalaureat » ny Governoran’ny Diana mba hitadiavana vahaolana amin’ny fitakian’ireo mpitsara.

Raha tsiahivina, misy sasantsasany tamin’ny mpitsara ny fanadinam-panjakana no nitokona noho ny tsy fahazahoan’izy ireo ny tambinkarama (vacation) an’izy ireo ny taona roapolo sy roa arivo ka tsy manaiky ny fitohizan’ny fitsarana amin’ity taona iraika amby roapolo ity. Ka izany indrindra no anton’izao famorian’ny governoran’i Diana Daodo Arona Marisiky izao mba ahazoana antoka fa hiverina haingana araka izay tratra ny asa fanitsiana bakalorea.

Etsy an-danin’izany, nilaza ny Minisitry ny fampianarana ambony sy ny fikarohana siantifika, fa ny « vacation » tamin’ny fanitsiana tamin’ny taona roapolo sy roa arivo dia efa nalefa tany amin’ny Oniversite. « Natao izany taorian’ny namoahana ny valiny, ny fahazoana antontan-taratasy manohana sy ny lisitry ny mpitsara fanadinana » hoy hatrany ny Ministra. Raha ho an’ny oniversiten’Antsiranana manokana, ny tambinkarama fanitsiana ny taona 2020 dia efa nalefa nanomboka ny folo aogositra iraika amby roapolo sy roa arivo, hoy ny teo anivon’ny minisitera.

Misy hatrany ny olana tahak’izao isan-taona rehefa tonga teo amin’ny fotoanan’ny fitsarana sy fanitsiana ny fanadinan’ny mpiadina ireo mpitsara.

Raha ny tokony ho izy anefa, tokony ho ara-dalàna hatrany ny fandoavana ny tambin-karaman’izy ireny noho izy ireny mandray anjara amin’ny lafiny fampianarana izay tokony ho isan’ny laharaham-pahamehana eo amin’ny firenena. Ilaina ny fahamatoram-piasan’ireo mpisehatra rehetra miandraikitra ity raharaha ity eo anivon’ny Ministera tompon’andraikitra isan-tsokajiny mba isian’ny mangarahara sy fandoavana ara-dalana ny « vacation » an’ny mpitsara ny fanadinam-panjakana.

Mifamahofaho ny filazan’ny ministra sy ny mpitokona, iza izany no inoana ?

Tsangy Randriamampianina

Laisser un commentaire