Alevin’ireo jiolahy any ambanin’ny tany ny entana halatra any Fenoarivo Atsinanana
Nisy ny hetsika nataon’ny Zandarimaria any Fenoarivo Atsinanana noho ny fisesisesin’ny vaky trano tany an-toerana. Nametraka fitoriana ny tompon-trano lasibatra tamin’ny fanafihana ary nitohy ny fikarohana. Natao ny fisavana ny olona noahiahiana ary tratra tao an-tranony ny entana very sy entana halatra hafa. “Nanoro ny namany avy eo ilay jiolahy ary tratra tany ihany koa ny entana fanampiny ary nisy aza ireo nalevina any ambanin’ny tany” hoy i Odette, mponina any an-toerana. “Nnadritra ny fanadihadihana natao azy 4 miralahy, fantatra fa niisa 7 ny fanafihana nataon’izy ireo nanomboka ny jona teo teto Fenoarivo Atsinanana ary mbola misy namany iray karohina any ho any” hoy i Lieutenant Andriamambasoa Rindraniaina, Kaomandin’ny vondrom-paritry ny Zandarimaria Analajirofo. “Ireto no tena mpamaky trano any amin’ity faritra ity ary inoana sy antenaina fa hihena ny vaky trano amin’izao fahatratrarana azy ireo izao satria efa notazomina am-ponja izy ireo” hoy ny solontenam-panjakana any Fenoarivo Atsinanana. Hangalarina avy eo alevina ny entana halatra mba tsy mora hahitana azy, soa fa miara-miasa ny Zandary sy ny fokonolona ka mora ny fikarohana ny olon-dratsy.
Nicole Rafalimananjara
