ActualitésTsidika

Voavaha ny olan’ireo mpiasa eo anivon’ny Aviation Civile de Madagascar

Nikasa hanatanteraka fitokonana ny mpiasan’ny ACM noho tsy nahazahoan’izy ireo karama nandritra ny roa volana. Tonga nizaha vahaolana teny Tsimbazaza ny Ministra tompon’andraikitra nihaona tamin’ireo randrana sendikaly.

« Efa namolavola soson-kevitra izahay ary ary mahatoky fa efa nilamina ny karama mandritra ny herintaona » Rakotomanga Barson, Filohan’ny rantsana sendikaly. « Sambany tamiko no nahita Ministra nitsidika an’ity toerana ity ary midika izao fa ho voavaha haingana ny olana eto amin’ny orinasa » hoy ny mpiasa iray.

« Atao ny ezaka rehetra mba hanarenana ny seha-pitaterana eto amintsika, hisy ny komity manokana ho hatsangana hanarenana ny lesoka eto anivon’ny ACM » hoy i Tinoka Roberto, ministry ny fitaterana sy ny famatarana ny toetr’andro.

Inona no vahaolana maharitra ? « Mila sokafana ny sisin-tany fa ny aretina efa tena miara-monina amintsika olombelona ka tsy tokony hampiato ny sehatra eto anatiny intsony izany » hoy ny tanora iray. Tsotra anefa ny nambaran’ny Ministra : « misy zavatra tsy maintsy lanjaina sy dinihana tsara fa tsy afaka tapahana vetivety indrindra manoloana ny fanokafana ny lanitr’i Madagasikara ». Tsy hijaona hatreo ny fikarohana vahaolana ho an’ity ACM ity fa hitohy hatrany mba hampandrosoana ny resaka seranana eto Madagasikara.

Vahaolana tokoa ve ny fanokafana ny sisin-tany ? 

Nicole Rafalimananjara

Laisser un commentaire