ConseilTsidika

Torohevitra: Ireo voka-tsoa azo avy amin’ny fampiasana ny voatabia

Vokatra anisan’ny hita mandavan-taona ny voatabia. Mety tsy mbola maro ny mahalala fa ankoatra ny fihinana azy dia azo ampiasaina hikolokoloana endrika, fahasalamana ary hikojana ireo fitaovana ao an-tokatrano ity voankazo ity. Ny ranony no tena ilaina indray amin’ity torohevitra ity.

Voalohany anatin’izany, raha eo amin’ny lafin’ny fahasalamana, dia anisan’ny mampitony ny areti-tenda ny ranona voatabia. Ranona voatabia sy rano tsotra mafana ary vovo-tsakay kely no afangaro amin’izay fotoana izay. Ireo hanaovana garagaraka mba hanasitrana ny areti-tenda.

Manaraka izany, raha hikoloana ny endrika, ny ranona voatabia dia mankatona mason-koditra. Ireo tarehy be menaka no tena mety aminy. Vontosana ranona voatabia ny vovondandihazo ka iny no apetapetaka amin’ny tarehy mandritra ny 5 minitra, izay vao kobanina amin’ny rano matimaty. Tsy dia mety amin’ny hoditra maina anefa ity fikarakarana ity.

Ary farany, anisan’ny manala ny fofona ratsy mihiboka amin’ny fitaovana plastika fitoeran-tsakafo ny voatabia. Kosehana amin’ny ranona voatabia ny fitaovana plastika, rehefa izay dia hosorana savony ary avela ho maina eo ka ampidirina anaty vata fampangatsiahana mandritra ny andro vitsivitsy, izay vao ampiasaina indray

Manitra R.

Laisser un commentaire