ActualitésTsidika

Notontosaina tany Mahajanga ny fivorian’ny « Chambre de Commerce et l’industrie »

Natomboka ny faha 30 Aogositra 2021 tao amin’ny « Chambre de Commerce et l’industrie » Mahajanga ny Fankan-kevitra isam-paritany ka naharitra roa andro ny atrik’asa izay nandraisan’ireo solotenan’ny Ministeran’ny Fanabeazam-pirenena, ny Ministeran’ny fampianarana teknika sy ny fanofanana arak’asa ary ny Ministeran’ny fampianarana ambony sy ny fikarohana siantifika sy ny ray aman-drenin’ny mpianatra anjara.

« Ho fanomanana ny jery todika mahakasika ny teti-bola amin’ny volana Septambra 2021, izay tafiditra ao anatin’ny Teti-pivoarana ho an’ny Fanabeazana no tanjona amin’izao fankan-kevitra izao » hoy ny avy ao amin’ny Ministeran’ny fanabeazam-pirenena. « Renivohi-paritany enina manerana ny nosy no hanaovana izao fakan-kevitra izao ary tanjona ny hananana vokatra mahafa-po sy voamarina mifanaraka amin’ny zava-misy ao an-toera » hoy Mandimbilaza Noeriko Sylvain, Talem-paritry ny fampianarana teknika sy ny fanofanana arak’asa any Boeny izay tonga nanokatra tamin’ny fomba ofisialy ny atrik’asa. Ireo antontan-kevitra sy antontan’isa nandritra ny fotoam-piasana amin’ny fampiharana ny PSE no ho volavolaina hoenti-miatrika ny « Revue de suivi d’exécution physique et financière » amin’ny volana septambra ho avy izao. « Zava-dehibe eto amin’ny firenena tokoa ny fanabeazana ny Malagasy satria Olo mahay raha, tsy very mandeha » hoy i Melanie, renim-pianakaviana nanatrika ny atrik’asa.

Rehefa mikorontana tokoa ny fanabeazana dia manjary ny firenena mihitsy no tena mikorotana satria fiainana maro no miankina amin’io indrindra ho an’ireo tanora eny amin’ny anjerimanontolo. Vahaolana tokoa àry ve izao atrik’asa izao ?

Nicole Rafakimananjara

Laisser un commentaire