Masindray: Nisehoana fahavakisana tsenam-barotra tao amin’ny fokontany Tsarahonenana
Tsenam-barotra iray no niharan’ny fanafihana tao amin’ny fokontany Tsarahonenana, kaominina Masindray, ny talata maraina teo. Nisy ireo entana lasan’ireo olon-dratsy nandritra izany, izay mbola hanaovan’ireo niharan’ny fanafihana filazana fikarohana, araka ny voalaza.
“Manoloana ny tranga niseho tety amin’ny fokontany dia miandry ny fandraisana andraikitra avy amin’ireo tomponandraikitra ny mponina, indrindra amin’ny fametrahana fandriam-pahalemana maharitra eto an-toerana mba tsy hiaina anaty tahotra sy tebiteby ny mponina” hoy ireo tomponandraikitra avy ao amin’ny fokontany.
“Tena mila mandray andarikitra ny isam-batan’olona amin’izao fotoana izao fa tsy voatery ihany ireo manam-pahefana ihany. Azo atao ny mametraka andrimasom-pokonolona na fiaraha-mientana amin’ny zandray satria ny tsy fandriam-pahalemana mety hiseho amin’ny fotoana tsy ampoizina” hoy i Zaka, mponina ao Masindray.
Fahavalon’ny fampandrosoana ny tsy fandriam-pahalemana. Mangataka ny hijerena akaiky ny zava-misy araka ny izany ny mponina ao amin’ny kaominina Masindray. Ho an’ireo kaominina hafa manodidina, anisan’ny fepetra noraisina hiadiana amin’ny tsy fandriam-pahalemana ny hetsika tanamaron’ny fandriam-pahalemana. Mangataka ny hametrahana izany ihany koa ireo mponina ao an-toerana.
Manitra R.
