ActualitésTatitra

Etats-Unis : Fatim-behivavy iray no hita tao anaty valizy telo

Mpandeha an-tongotra iray no nampandre ny polisy rehefa nahita zavatra hafahafa tao amin’ny lakandrano, Intercoastal Waterway tao Floride. Rehefa natao ny fanadihadiana dia valizy telo no navoakan’ny tompon’andraikitra tao anaty rano izay nisy fatin’olona efa voarasarasa.

Hatreto dia mbola tsy fantatry ny polisy ao Blray Beach mazava ny momban’io olona tao anaty ny valizy io saingy fantatra fa vehivavy izany. Rehefa natao ny fizahana dia nambara fa fotsy hoditra na « hispanique » io olona io, manodidina ny 40 taona ary mirefy 1,60 m. Nanamafy ny sergent Casey Kelly fa teo anelanelan’ny 17 sy 20 Jolay teo no nariana tao anatin’ny rano ireo valizy nsiy azy.

Mbola mitohy kosa ny fanadihadiana ary efa mandalina ireo «vidéo surveillance » manodidina ny nisehoan’ny tranga ny manam-pahefana.

Laisser un commentaire