Alasora : Nametrahana daba-pako manoloana ny tsena eo Ankadindratombo
Taorian’ny fanentanan’ny tomponandraikitra mpitantana ny kaominina Alasora, mahakasika ny fako mivangongo ao ambany tetezana, ataon’ireo mpivarotra sy ny mponina eny amin’ny fokontany Ankadindratombo, dia nitondra vahaolana entina amahana ny olana izy ireo, ny faran’ny herinandro teo.
« Ao anatin’ny ezaka ataon’ny tomponandraikitra, ho fandaminana sy fampianarana ny mponina ho tia sy hanaja ny fahadiovana, dia napetraka eto ity daba-pako ity ho fanangonana ny loto na avy amin’ny mpivarotra na avy amin’ny mponina isan-tokatrano. Manomboka amin’ny 5ora hariva ka hatramin’ny 85ora hariva no fotoana fanariana fako ao anatin’izany » hoy ny avy amin’ireo tomponandraikitra.
« Tena ilaina tokoa ny fametrahana toerana fanariam-pako toy izao ary angatahana amin’ny tomponandraikitra mbahanaparitaka izany eny amin’ireo faritra hafa izay tena mbola ahitana fako miparitaka. Sady fitaizana ny olona hanaja ny fahadiovana izao no fizarana ny sainy tsy hanarinary fako eny rehetra eny » hoy i Sonia, mponina ao Alasora.
Ny fiaraha-mientana sy fitaizana ny mponina, ahalala ny tokony ataony no antoky ny fampandrosoana. Ilaina ny manoro sy manabe ny mponina, indrindra amin’izao fotoana izao ; maro ireo manadino ny fahaiza-miaina noho ny fahasahiranana isan-karazany.
