Ambatovy: Orinasa iray anisan’ny mameno ny tahirim-bolam-panjakana Malagasy
Efa folo taona izay no niasan’ity orinasa Ambatovy ity teto Madagasikara. Orinasa mpamokatra nickel sy cobalt any amin’iny faritra Atsinanana iny no misy azy. Anisany amin’ireo orinasa mandray anjara mivantana amin’ny toe-karena eto Madagasikara izy. Manodidina ny 35 millions dolara no efa nirotsaka tamin’ny tahirim-bolam-panjakana avy amin’ny hetra sy ny saram-panjakana isan-karazany.
“Isan-taona eo dia io vola io no harotsakay ao anatin’ny tahirimbolam-panjakana. Manampy ihany koa izahay amin’ny fampiakarana ny hari-karena faobe. Amin’ny alalan’ny fanjifana ireo vokatry ny tantsaha aty an-toerana sy ireo mpandraharaha, izay mitentina 225millions dolara ziany ho an’ny taona 2021”, hoy ny tompon’andraikitra avy ao amin’ny orinasa.
“Miara-miasa amin’ireo oriansa madinika aty amin’ny faritra Atsinanana izay miisa 450 izahay. Eo ihany koa ny fiaraha-miasa maharitra amin’ireo tantsaha amin’ny fisitrahana ireo légioma sy voankazo vaovao sy ara-pahasalamana”, hoy hatrany ny fahasalamana.
“Ankoatra ny fiaraha-miasa amin’ny olona any ifotony dia miasa ihany koa izy ireo manome zava-baovao ho an’ny mponina. Amin’ny alalan’ny fanamboarana foto-drafitr’asa sy ny fananganana sekoly maro. Politika iray hisehoan’ny RSE izany izay ahitana taratra fa hampandroso an’ny Madagasikara ny fanatanterahana ity RSE ity izay hanomezana tombony ho an’ny mponina any amin’ny sehatra ambany mba hiakatra tsikelikely”, hoy ity manam-pahaizana iray amin’ny sehatry ny RSE ity.
Tsara alain-tahaka ho an’ny orinasa maro ny ataon’ny orinasa Ambatovy. Tokony ihany koa ny orinasa rehetra izay misehatra eto Madagasikaraa dia hitondra ny anjara birikiny amin’ny fampandrosona an’ny Madagasikara.
Miora Raharisolo
