Tsidika

Trafika : Sokatra 59 isa saika ahondrana an-tsokosoko no tratran’ny mpiasan’ny ladoany teny Ivato ny  20 Jona lasa teo

Nandritry ny fankalazana ny andron’ny mpiasan’ny ala ny Alakamisy 22 Jona teny Nanisana no nanambara i Rinah Razafindrabe tale jeneralin’ny fitantanana ny tontolo iaianana fa nahatratra sokatra 59 isa saika ho ahondrana antsokosoko ireo mpiasan’ny ladoany  teny amin’ny seranam-piaramanidina Ivato

Araka ny fampitam-baovao dia karazany « Pyxis arachnoide » ireto sokatra tratra ireto. «  Natao tao anaty kitapo ireto biby arovana ireto ary tao amin’ny faritry ny « sous-douane » no nahatrarana azy » hoy ny fanambaran’ny tompon’andraikitra avy ao amin’ny Minisiteran’ny tontolo iainana sy ny fandrosoana lovain-jafy.

Manoloana io tranga io dia nanamafy ny tompon’andraikitra fa « tsy hisy ny fandeferana amin’ny fanasaziana  ho an’ireo rehetra izay tafiditra amin’ity raharaha fanondranana an-tsokosoko ity na iza izany na iza ary efa mandeha ny fanadihadiana ankehitriny ».

Tsy mbola nanome fanazavana  antsipirihany mikasika ity raharaha ity  ny tompon’andraikitra na teo amin’ny isan’ireo olona voarohirohy izany na ny toerana saika nanondranana ny sokatra.

Eo am-piandrasana ny tohin’ny raharaha dia ny Association Trutle  (TSA) no miandraikitra ny fandraisan-tanana ireo sokatra.

Miranto Andrih

Laisser un commentaire