ActualitésTsidika

Fiompiana : Mitombo ny mpiompy biby kely manan-karena calcium

Mitombo hatrany ny fangatahan’ny Malagasy ireo biby kely manan-karena kalsioma. Araka izany dia miha-mitombo ihany koa rieo mpiompy itony biby kely itony. Valala, kadradraka, olitra, hatramin’ny lalitra dia azo ompiana avokoa amin’izao fotoana izao. Manan-karena singa mahasalama avokoa ireo bibikely ireo ka efa misy amin’izao ny fikambanan’ireo mpiompy izany izay antsoina hoe Gasy Insectes Comestibles (GIC).

« Ahitana mpikaroka, mpamokatra, mpanodina ary mpanondrana ireo biby kely ireo ny fikambanana. Ny tanjon’ny fikambanana dia ny hanova ireo biby kely ireo ho lasa fanararaotra hahafahana mitady vola sy hahafahana mitsinjo ny Malagasy hafa », hoy ny Solontenan’ireo mpikambana.

Mbola misedra olana anefa izy ireo indrindra mahakasika ny fanjifana. Mitombo ny filàn’ireo izay efa mpnajifa saingy mbola vitsy izy ireo. « Efa ao anatin’ny fandaharan’asa amin’izao fotoana izao ny hanova ny fitondran-tenan’ny olona sasany. Anisan’ny mampikatso ny asa ny fieritreretan’ny olona sasany fa maloto ireny biby kely ireny ary tena mety hankarary na hoe tsy misy ilaivana azy. Anisan’ireo biby izay mitondra fahasoavana betsaka ho an’ny olombelona izy ireny rehefa voakaraka », hoy hatrany ny fanazavana.

Ankoatra ny ho an’ny olombelona dia mamoaka biby kely ho an’ny biby fiompy ihany koa izy ireo. Izany rehetra izany dia tsy nataotao foana fa voadinika tsara, ary mahasoa ireny zavatra rehetra ireny avokoa.

Miora Raharisolo 

Laisser un commentaire