Ambohimanambola : Nahafeno kianja ny hetsika « coliseum kely »
Notontosaina tamin’ny faran’ny herinandro teo ny hetsika « coliseum kely », hetsika nentina nampifaliana ireo ankizy sy nampandraisana anjara azy ireo tamin’ny fifaninana mandihy tao amin’ny kaominina Ambohimanambola. Vory maro ireo olona nijery izany.
« Tonga tamin’ny tanjona nieritreretana azy ny fikarakarana ny fifaninana teto Ambohimanambola. Feno soa aman-tsara ny toerana coliseum kely. Isaorana ireo sekoly nampandray anjara ny ankizy tamin’ny fifaninana, izay nisy maromaro izy ireo no nanana ankizy nisolo tena tamin’ny fifaninana mandihy » hoy i Alain, mpikarakara ny hetsika.
« Anisan’ny tena zava-dehibe ihany koa tamin’ny fanatontosana izao hetsika izao ny fandraisana anjaran’ireo mpihira vao misondrotra eto an-toerana ary efa maro mpankafia sahady ary nampiala voly ny mponina » hoy hatrany ny fanazavana.
Marihina moa fa nandritra ny hetsika fankalazana ny andron’ny sekoly tao amin’ny kaominina Ambohimanambola no nanatontosana ity seho ity rehefa nihemotra noho ireo antony maro tao an-toerana. Ity hetsika ity izay nahavory olona maro, ary nampiala voly ny mponina tokoa.
Manitra R.
