ActualitésTsidika

Ambohimanga rova: Nozaraina fitaovana ireo mpianatra hanala fanadinana

Notanterahina tamin’ny alarobia teo ny fizarana fanampiana ara-pitaovana ireo mpianatra hanala ny fanadinam-panjakana CEPE ao amin’ny EPP Ambohimarina, kaominina Ambohimangarova. Fifanomezan-tanana teo amin’ireo olon-tsotra no nafahana nanantanteraka izany, araka ny voalaza.

« Taorian’ny nanaovana antso avo ho fanamohanana sy fanampiana ireo mpianatra hiatrika ny fanadinana CEPE dia hisaorana ny namaly ny antso satria adidy sy andraikitra ny fahavitan’izany » hoy ireo mpanatontosa ny hetsika.

« Zava-dehibe ho an’ny mpianatra ny fanohanana tahaka izao. Indrindra maro ireo ankizy no tsy ampy fitaovana enti-miatrika ny fanadinana ka hisaorana ireo nahafoy sy nanolotra »  hoy i Volatiana, ray amandrenin’ny mpianatra.

Faly ireo mpianatra rehefa nahazo ny fitaovana vaovao enti-miatrika ny fanadinana. Narahina vatsy ihany koa moa izany ary natolotra teo imason’ny ray amandrenin’ireo mpianatra.

Manitra R.

Laisser un commentaire