ActualitésTatitra

Mexique : Mitohy ny fanadihadiana momba ireo faty hita tao anaty harona plastika

Nandritra ny hetsika fikarohan’ny manam-pahefana zavoto maromaro tsy hita nandritra ny andro maromaro dia nahitana fatin’olona voarasarasa tao anaty harona maromaro izy ireo. Tao andrefan’ny firenena no niseho ity tranga ity. Raha tsiahivina dia nanomboka ny 20 may teo no tsy hita ireo zatovo nokarohina ireo.

Rehefa nandeha nefa izany fikarohana izany dia tranga mahatsiravina no hitan’ireo manam-pahefana. Faty efa voarasarasa no hitan’izy ireo tao anaty harona 45 tao anaty antsana iray 40 metatra tao amin’ny kaominina Zapopan ao Guadalajara. Raha ny fanazavana dia tao amin’ny faritra nisy ny « centre d’appel » izay toeram-piasan’ireo zatovo ireo ihany no nahitana ireo faty ireo.

Lahy sy vavy ireo faty hita ireo saingy tsy ampy ny isan’ireo zatovo tsy hita raha ny fatrany hoy ny mpampanoa lalàna tao an-toerana, Joaquin Méndez. Nilaza ny tenany fa miandry ny fizahan’ny mpitsabo alohan’ny ahafahana manome isa ofisialy. Mbola mitohy kosa ny fanadihadiana.

Laisser un commentaire