ActualitésTsidika

Ankadikely Ilafy: 59,22% ny taham-pahafahana fanadinana BEPC

Nivaly tamin’ny alarobia teo ny fanadinam-panjakana BEPC, nanerana ireo toeram-panadinana teto amin’ny CISCO Avaradrano. Ho an’ny kaominina Ankadikely Ilafy manokana, 59,22% ny taham-pahafahana fanadinana BEPC ho an’ity taona 2023 ity.

“Tamin’ity taona ity dia 59,22 % ny taham-pahafahana BEPC tamin’ireo ZAP telo mandrafitra ny Kaominina. Izany vokatra izany hisaorana ireo tomponandraikitra misehatra amin’ny fampianarana rehetra, ny minisiteran’ny fanabeazam-pirenena, ny CISCO Antananarivo Avaradrano, ireo ZAP, ireo mpampianatra sy mpanabe isan-tsokajiny nahatontosa antsakany sy andavany ny adidy aman’andraikiny” hoy ny avy amin’ny kaominina Ankadikely Ilafy.

“Tena faly fa afaka soa aman-tsara, nisy valiny ihany ny ezaka natao na dia nisy ihany aza ny laza adina nanano sarotra nandritra ny fanadinana. Vonona tsara hiatrika ny lycée indray amin’ny fidirana manaraka eo” hoy i Tafita, mpiadina.

Amin’izao fotoana izao moa dia efa manomboka ny fisoratana anarana eny amin’ireo lycée, ho an’ireo izay efa afaka izany fanadinana izany.

Manitra R.

Laisser un commentaire