ActualitésTatitra

Italie : Tsy maha voasazy ny fitsapatsapana ny fitombenan’ny mpianatra latsaky ny folo segondra

Miteraka resa-be ao Italie ny valim-pitsarana manoloana ny raharaha nahavoarohirohy lehilahy iray nanao « attouchement sexuel » tamin’ny mpianatra iray. Raha ny fanazavana dia mpiampina sekoly iray, 66 taona no nitsapa ny fitombenan’ny tovovavy mpianatra iray 17 taona.

Nitory ilay zazavavy noho izany ary niakatra fitsarana tao Rome ny raharaha. Niaiky ilay lehilahy lehibe fa nitsapa ny fitombenan’ilay tovovavy tokoa ary nilaza izy fa hanihany ihany no nataony. Nanambara kosa ny fitsarana fa tsy voasokajy ho fandikan-dalàna ny « attouchement » latsaky ny 10 segondra. Tsy ahafahana mamaritra ny fihetsika ho maloto na mitsiriritra araky ny takian’ny lalàna izany raha ny fanamafisan’izy ireo.

Maro kosa ny manameloka io fanampahan-kevitra io. Isan’izany ny fikambanan’ny mpianatra ao Latium. Nilaza izy ireo fa tokony mahatsiaro tena voaaro amin’ny fotoana rehetra ny mpianatra, indrindra any an-tsekoly ka tokony hampiarina araka ny tokony ho izy ny lalàna.

Laisser un commentaire