ActualitésTsidika

Ankadikely Ilafy : Fantatrao ve ny tananan’Ilafy ?

Fokontany iray ao anatin’ny kaominina Ankadikely Ilafy i Ilafy, ary manana vakim-paritra valo, dia ny Ilafy rova, Ambohijanaka, Antanambao, Andrefanilafy, Ankadivory, Antehinohy, Manahy, Anjakarihasina. 3km miala ny lalam-pirenena fahatelo no misy azy. Anisan’ny iray amin’ireo tendrembohitra 12 eto imerina izy, ary anisan’ireo tendrombohitra 6 ambara hoe « masina » noho izy nanafenana ny taolambalon’ny mpanjakan’i Madagasikara, Radama II.

Maro ireo tsara ho fantatra mahasika ny rovan’Ilafy, raha ara-tantara no jerena. Izy no nipoiran’ireo olo-malaza tamin’ny vanim-potoan’ny fahampanjaka sy talohan’ny fanjanahantany, izay tsara ampahafantarina ireo taranaka aty aoriana.

Fahiny, Ambohitrakanga no niantsoana an’Ilafy. Tamin’ny andron’Andriamasinavalona (1675-1710) kosa no nahatonga azy hoe Ilafy, rehefa napetraka tao an-toerana ny lafin-kavan’andriana. Nisy ny lovan-tsofina izay nilaza fa Vakitronga no niantsoana an’Ilafy tamin’ny andron’Andrianjafy (1770-1787) noho ireo mponina sahy nanala sy nampitsoaka ny mpanjaka tamin’ny fomba ankolaka.

Ireo tarana-bazimba « Terakimafiloha » izay tsy miambohalahy no nampalaza an’Ilafy noho izy ireo sahy nijoro tamin’ny fahamarinana nanoloana ny mpanjaka na dia nihatra aman’aina aza izany. Ireo taranaka ireo no nitoetra ela tao Ilafy ary imbetsaka nanda tsy mety hatao andriana tao an-toerana.

Manana olo-malaza maro ny vohitr’Ilafy, anisan’izany i Hagamainty sy Andriatsilavo, izay mpanolo-tsaina toa teny tamin’ny fanjakan’Andrianampoinimerina. Teo ihany koa ireo praiminisitra telo talohan’ny fanjanahantany Rainiaro, Rainivoninahitriniony ary i Rainilaiharivony.

Manitra Ramanantsoa

Laisser un commentaire