Polisim-pirenena : Nahazo fitaovana hampiasaina avy amin’ny Masoivohon’ny Korea Atsimo
Dépêche 04 novembre, 15h, Nisitraka fitaovana vaovao ny avy ao amin’ny Polisim-pirenena. Anisan’izany ny moto miisa 27 sy tonfa ary matraque miisa 197. Izany dia natolotry ny masoivohon’i Corée du Sud mba hanampiana ireo Polisim-pirenena amin’ny asany. Anatin’ny tanjon’ny Polisim-pirenena dia ny hiaro ny vahoaka sy ny fananany ka manamora ny asan’izy ireo izao fitaovana vaovao izao. Efa akaiky rahateo ny fety, betsaka ny olona mifamezivezy ka tsy maintsy hamafisina ny fiarovana ny olom-pirenena, hirariana hitondra vokany eo amin’ny asan’ity andrim-panjakana iray ity ireto fitaovana ireto.
