ActualitésTsidika

Avaradrano : Andalam-panamboarana ny foto-drafitr’asa momba ny « train urbain »

Efa andalam-panamboarana ny foto-drafitr’asa mahakasika ny « train urbain » amin’izao fotoana izao ireo tekinisinina sy ny orinasa miandraikitra izany. Raha ny voalaza, alohan’ny volana jona 2023 no hiasa ity fitaterana an-dalamby ity ary misy kazany roa ny zotra, izay hampitohy an’Amoronakona sy Soarano ary Soarano sy Ankorondrano. Hihitatra hatrany Anjeva, Ambohijanaka ary Andoharanofotsy ihany koa izany tetikasa izany.

« Anisan’ny vahaolana efa ela no niandrasana azy, entina amahana ny olan’ny fifamoivoizana eo amin’ny resaka fitohanana ity tetikasa ity. Manamora ny fivezivezena izany ary mandamina ny fotoana eo amin’ny resaka dia » hoy i Lahatra, mpamily, mpitondra mpizaha tany.

« Anisan’ny misintona manintona olona maro ny lamasinina. Mampiroborobo ny resaka fizahan-tany ny tetik’asa tahaka izao. Olana mibahan-toerana teto amintsika hatramin’izay ny resaka fifamoivoizana sy fandriampahalemana, mino aho fa hanavotra tokoa ary hisintona mpizaha-tany ny fametrahana izao tetik’asa ho an’ny “train urbain” izao » hoy i Mariah, mpikarakara dia.

Ao anatin’izay fanamboarana izay hatrany moa, misy ny fanamboarana ireo « platefome », fandrafetana ireo aro fanina hiarovana ireo lalam-by ary ny fanarenana ireo lalamby sy fiantsonan-dalamby manemotra ny lalamby sy ireo filàna rehetra hahafahana mampandeha ny fiaran-dalamby.

Manitra Ramanantsoa

Laisser un commentaire