ActualitésTatitra

Comores : Tsy maintsy miala amin’ny zom-pireneny hafa ireo kandidà ho filoham-pirenena

Ho tontosaina ny taona 2024 izao ny fifidianana filoham-pirenena vaovao ao Comores. Manoloana izany dia nanolotra fanavaozana ho amin’ny fifidianana ny fitondrana ankehitriny. Mirakitra fepetra maro momba ny fahazoana alalana ho an’ny fitantanana faratampon’ny fivondronana’i Comores izany volavolan-dalàna naroso izany.

Anisan’ny voarakitra ao anatin’izany eo amin’ny andininy faha-7 ny tsy maintsy hialan’ireo kandida manana zom-pirenena hafa ankoatran’ny ao Comores amin’izany. Antony ny fitandrovana ny fiandrianam-pirenena hoy ny mpitondra tenin’ny governemanta, Houmed Msaidii. Efa eo anivon’ny antenimierampirenena moa io lahatsoratra io ary tokony hanapa-kevitra alohan’ny faran’ny taona izao ireo solombavambahoaka.

Laisser un commentaire