ActualitésTatitra

Russie : Ho ampiharina amin’ireo faritra 4 vaovaon’ny firenena ny lalàna miaramila

Nanome baiko ny hampiarana ny lalàna miaramila amin’ireo faritra 4 nobodoan’i Russie tamin’i Ukraine i Vladimir Poutine. Raha tsiahivina dia i Donetsk, Lougansk, Kherson ary Zaporijia ireo faritra ireo. Niatra amin’ireo faritra voatondro ireo nanomboka ny sasakalin’ny alakamisy teo io didim-panjakana.

Ny lalàna miaramila moa dia fametrahana ao amin’ny firenena iray misy fanjakana ara-dalàna manokana (d’exception) ny fitandrovan’ny miaramila ny filaminana eo amin’ny toeran’ny polisy na miara miasa aminy.

Laisser un commentaire