ActualitésTsidika

Toetr’andro : Hihena ny rotsak’orana, ho maina kokoa ny tany

Hiova tanteraka ny toetr’andro ho amin’ity taona 2022 – 2023 ity satria dia hahitana fihenana ny rotsak’orana ary ho maina betsaka kokoa ny tany. Ny rotsak’orana io izay hihena sady mbola ho el any fihaviany raha ny nambaran’ny sampana mpamantatra ny toetr’andro. Mila hiomanana daholo anefa ny zavatra mety hiseho, hatramin’ny rivo-doza izay misy foana isan-taoan saingy tsy ho betsaka izany amin’ity taona ity raha ny vinavina.

« Tao anatin’ny tranga La Niña foana isika tao anatin’ny telo taona. Izany hoe mangatsiaka kokoa ny ranomasina any amin’ny ranomasim-be Pacifique ary somary hafana kokoa kosa ny any amin’ny ranomasim-be Indianina izay ireo roa ireo no fenitra mety hampiova be ny toetr’andro », hoy Maminiaina Anzela Ramarosandratana, talen’ny fikarohana momba ny fiovaovan’ny toetr’andro ao amin’ny Météo Madagasikara.

« Ho maina amin’ny ankapobeny ity taom-pahavaratra ity, ny orana dia mety hisy fa ho taraiky ihany koa, indrindra fa ny faritra avaratra sy ny atsinanana ary ny afovoan-tany iny. Mety ny faritra andrefana iny no tena hisitraka ny orana amin’ny fotoanan’ny aty fahavaratra, izany hoe ny volana desambra hatramin’ny volana martsa io », hoy hatrany ny fanazavana.

Mila miomana noho izany ny mpamboly sy ireo tantsaha amin’ny mety ho tsy fahampian’ny rotsak’orana izay mety hisy fiantraikany amin’ny fambolena izany. Andalam-pikakarana ny tetiandrom-pambolena ny sampan mpamantatra ny toetr’andro ary hozaraina amin’ny mpamboly rehetra izany ahafahan’ny mpamboly tsirairay miomana. Hisy fitovizany amin’ny tamin’ny taona lasa ihany kao izany satria ho tara ny orana izay mety ho ny volana desambra any vao hisy.

Miora Raharisolo

Laisser un commentaire