ActualitésTsidika

Alasora : Notolorana mari-pankasitrahana ireo mpianatra mendrika

Nisy ny lanonana  fanolorana mari-pankasitrahana ireo mpianatra mendrika indrindra tao amin’ny ZAP Alasora, tamin’ny faran’ny herinandro lasa teo. Miisa 4 mianadahy izy ireo no nahazo izany, izay natolotry ny ben’ny tanàna miadidy ny tanàna tao amin’ny biraon’ny kaominina Alasora ihany.

« Mpianatra mendrika indrindra nandritra ny taom-pianarana 2021-2022 izy 4 mianadahy izay nomen’ny kaominina fankasitrahana ireto, izay misy an’i Randrianarisoa Mandresy Ny Anjara Tandrify, baccalauréat A2, Mention Bien, Raveloson Liantsoa Kantoniaina, baccalauréat série S, Mention Bien » hoy ireo tompon’andraikitra ao amin’ny kaominina.

« Marihina moa fa tsy ireo afaka fanadinana bakalorea ihany no nomena ny anjarany fa nisy an’izy mianadahy izay mendrika tamin’ny fanadinana BEPC sy fifaninanana hiditra classe de seconde, sy CEPE sy fifaninanana hiditra classe de sixième ihany koa, izay mameno azy ho 4, dia i Fanambinantsoa Rojoniaina Sandra sy i Rasamiarijaona Donny » hoy hatrany ireo avy amin’ny kaominina.

Anisan’ny hetsika manohana ny fampianarana ny fankasitrahana mpianatra mendrika tahaka izao. Tsy ireo mpianatra ihany anefa no misongadina ao anatin‘izany, fa ireo sekoly niavian’ireo mpianatra ihany koa, ka lasa modely ho an’ny fampianarana.

Manitra Ramanantsoa

Laisser un commentaire