ActualitésTsidika

Mahajanga : Mitohy hatrany ny fanentanana mahakasika ny fifidianana izay ho mpikambana maharitra eny amin’ny Antenimieran’ny Varotra sy Indostria (CCI)

Mitohy hatrany ny fanentanana mahakasika ny fifidianana izay ho mpikambana maharitra eny anivon’ny Antenimieran’ny Varotra sy Indostria (CCI) hoy ny tompon’andraikitra. Marihina moa fa efa tapitra ny fisoratana anarana hifidy ho an’ny faritra Itasy. Ny 02 Septambra 2022 izao no hifarana ny fanoratana anarana hidirana ho mpifidy raha ny 03 Septambra 2022 no fara-fandraisana ny antontan-taratasin’ireo mpirotsaka ho fidiana.

Efa nivoaka ny 03 Aogositra 2022 moa ny isan’ny toerana isaky ny seha-pandraharahana. Ny fiofanana mahakasika ny fandrindrana sy ny fandavorariana ny fifidianana izay niarahana tamin’ny mpampiofana notarihin’ny Chef Sasor avy amin’ny minisitera foibe dia efa notanterahina ny 16 aogositra 2022 lasa teo.

Famenontsoa Rajerison

Laisser un commentaire