Dépêches

Fifamoivozana : Nisy ny hetsika fanentanana ho an’ny lalàna sy ny aro lozan’ny fifamoivoizana

29 Aogositra, 15h00 Nanatontosa hetsika fanentanana mikasika ny aro loza ny fifamoivoizana ny ministeran’ny fitaterana sy ny famantarana ny toetr’andro ny alin’ny 26 aogositra nanerana an’Antananarivo. Hitohy isaky ny 15 andro izany. Ny fampihenana ny tahan’ny lozam-pifamoivoizana vokatry ny tsy fanarahan-dalàna eo amin’ny mpamily no anton’ny hetsika. Voakasika manokana ho an’ity fanentanana ity ny fepetra mahakasika ny fananan’ny kodiaran-droa tsirairay ny « immatriculation » sy ny fahazoan-dalana mamily.

Laisser un commentaire