Fifamoivoizana : Fiara lehibe iray no nivadika tao amin’ny lalam-pirenena faha efatra
22 Aogositra, 13h02, Kamiao iray niainga avy eto Antananarivo ihazo an’ny faritra Andrefan’ny nosy no nivadika tao akaikin’ny tetezan’Anjinja avavatra, kilometatra vitsivitsy tsy hidirana ny Fokotany Antananimbary, ao amin’ny lalam-pirenena faha efatra, ny alin’ny sabotsy 20 aogositra lasa teo. Tratran’ny torimaso ny mpamily ity kamiao lehibe ka efa teny amin’ny sisin-dalana vao taitra ka nahatonga ny fiara nentiny nivadika. Tsy nisy ny aina nafohy tao anatin’izany.
