Ambohimangakely : Vehivavy iray no tsy hita
Vehivavy iray monina ao Ankadrina Soamanandrariny no tsy hita nanomboka ny zoma 19 aogositra 2022 lasa teo. Nalaza be tokoa moa ny halatra zatovo teo aloha fa tsy vao izao no nisy ny tsy fahitana olona toy izao. Ohe Chantal no anaran’ity vehivavy very ity.
Raha ny voalazan’i Rondins fianakaviany dia nitsaoka tao antrano no nahavery azy ary mbola tsy niverina hatramin’izao. Tsy hay mazava ny antony nampitsoaka azy hatreto. Marihina anefa fa salama saina tsara ity olona ity. Iangaviana izay mahita azy mba hampadre ny manam-pahefana akaiky azy.
