Sosialy : Hatambatra anaty lisitra iray ireo mpisitraka ny fiahiana ara-tsosialy.
Dépêche 17 janvier, 14h, Nampitomboana ho 15% ny tahan’ireo olona izay vinavinaina hisitraka ny fiahiana ara-tsosialy. Izany no tanjona napetraky ny Ministeran’ny mponina ho amin’ity taona 2023 ity. Hahafahana manatratra izany tanjona izany dia hapetraka ny lisitra iray hitambaran’ireo tokantrano rehetra mpisitraka izany fiahiana sy fanampiana izany. Izany no natao hahafahana manamora ny fahatongavan’ny fanampiana any amin’ireo fianakaviana ireo.
