ActualitésTatitra

Comores : Navotsotra ireo voafonja tao Mawulid

Nisehoana fifandonan’ny mponina sy ny manam-pahefana tao Mbeni, tao avaratr’i Grande Comore nanomboka ny volana oktobra 2022 teo atorian’ny fankalazana ny nahaterahan’ny mpaminany Muhammad. Mponina 17 no nosamborina nandritra izany ary enina sisa no mbola tsy navotsotra hatramin’ny 11 janoary teo.

Raha ny fanazavana dia navoaka ny fonja nitanana azy ihany koa ireo olona 6 ireo rehefa nigadra nandritra ny telo volana. Antony nihazonana azy ireo ela kokoa kosa ny fanamelohana azy nanimba zavatra raha ny fanazavana. Nanakasitraka ny famoahana ireo olona ireo kosa ny praiminisitra teo aloha Hamidou Karihila izay nanameloka ny fanjakana manoloana ny tranga niseho tamin’ny volana oktobra 2022. Marihana fa mpomba ny filoha Azali Assoumani lasa mpanohitra ny tenany ankehitriny.

Laisser un commentaire