Ankadikely Ilafy : Efa misokatra ny lalana Ambonisoa Andranovelona
Vita soa aman-tsara ny fanamboarana ny lalana tao amin’ny faritra Ambonisoa Andranovelona. Nisy ny fanokafana izany tamin’ny fomba tsotra, nataon’ireo solo-tenan’ny mponina sy ny tompon’ny orinasa nanome izany, ny faran’ny herinandro teo. Efa azon’ny rehetra ampiasaina izany manomboka izao, araka ny voalaza.
“Fomba tsotra sy mahafinaritra no nentina nanokatra ny lalana teto Ambonisoa Andranovelona. Nifanitri-tava teto ireo solotena avy amin’ny mponina sy ny tomponandraikitra avy amin’ny orinasa izay nanome izany foto-drafitr’asa izany. Lalan-dran’ny tanàna ity lalana ity ka tokony smy sarotiny ny rehetra amin’ny fikojana izany” hoy ny avy amin’ireo solotenan’ny mponina.
“Vita tsara tokoa ny lalana. Hisaorana ireo tomponandraikitra nahatontosa izany satria anisan’ny fampandrosoana efa ela no niandrasan’ny mponina izao. Tsy mampijaly intsony ny mpampiasa lalana rehefa fahavaratra, tsy mamovoka ihany koa rehefa main-tany” hoy i Jocelyne, mponina ao Andranovelona.
Taratry ny fandrosoana eny ifotony ny fahavitana foto-drafitr’asa tahaka izao. Tsy voatery hiandry ny tomponandraikitra ambony tokoa vao afaka mitondra asa fampandrosoana sy fampivoarana ny faritra iray, fa ny tsirairay dia afaka mitondra anjara biriky entina mampivoatra ny faritra na tanàna iray.
