ActualitésTatitra

République du Congo : miandry fatratra izay ho vokatry ny fifidianana filoham-pirenena

Mitotaly ho 2,5 tapitrisa ireo congolais misoratra amin’ny lisim-pifidiana voaantso handrotsa-bato ny alahady 21 martsa, ho an’izay mpitondra tian’izy ireo hitantana ny firenena mandritra ny 5 taona manaraka. Nizotra am-pilaminana ny fifidianana raha araka ny vaovao. Tsy dia narisika kosa ireo olona raha nitaha tamin’ny ahalavan’ny filaharana nandritra ny fandrotsaham-baton’ireo miaramila ny 17 martsa lasa teo. Nambaran’ny kandidà avy amin’ny antoko mpanohitra, Mathias Ndzon, fa mety noho ny fandaminana tsy dia nilamina no antony nahatonga ireo mpifidy tsy navitrika. Raha ho azy manokana hoy izy, ny marainan’ny fotoam-pifidianana vao nahazo kara-pifidianana ny tenany. Mety tsy nahazo izany aza aho hoy izy raha tsy niantso ny teo anivon’ny birao mpikarakara. Saika hita nandrotsa-bato avokoa ny kandidà tsirairay avy ankoatr’i Guy Brice Parfait Kolelas izay volaza fa narary mafy tany amin’ny hopitaly tamin’ny andron’ny fifidinana. Nambara fa nodimandry ny tolakandron’ny alahady 21 martsa vokatry ny valanaretina coronavirus ihany koa ity kandidà sady mpanohitra ity. Miandry fatratra izay ho vokatry ny fifidianana kosa ireo kandidà sy ny congolais rehetra

Laisser un commentaire