PolitiqueTatitra

Niger : Neken’ny fitsarana avo momba ny lalàmpanorenana ny fahalanian’i Mohamed Bazoum

Niteraka korontana tao Niger ny fanambarana vonjimaika ny fahalanian’i Mohamed Bazoum tamin’ny fifidianana filoham-pirenena ny 21 febroary lasa teo. Neken’ny fitsarana avo momba ny lalàmpanorenana ny alahady 21 martsa io fahalaniany hitantana ny firenena io ary handray ny fanjakana izy manomboka ny 2 aprily ho avy izao. Lany tamin’ny isam-bato 55% i Mohamed Bazoum nandritra ny fifidianana filoham-pirenena natao tao Niger. Izy arak’izany no hisolo toerana an’i Mahamadou Issoufou rehefa nitondra nandritra ny 10 taona mahery (fitondrana ara-demokrasia). 2 490 049 ny vato azon’i Mohamed Bazoum izany hoe 55,66%. Mitotaly ho 1 983 072, 44,34% kosa ny an’i Mahamane Ousamane mpifanandrina taminy. Raha tsiahivina, tsy nanaiky ny fahalanian’i Mohamed Bazoum ireo mpanohana an’i Mahamane Ousmane. Nisy ireo tsy maintsy nahiditra am-ponja vokatry ny fitarihana korontana tamin’io andro io.

Laisser un commentaire