France : « Jade » sy « Léo » no anarana nalaza indrindra tamin’ireo teraka ny 2020
Nisy ny fanasokajiana natao ho an’ireo anarana be nomena ny zaza vao teraka ny taona 2020. Arak any navoakan’ny Insee dia ny Jade sy ny Léo no tena be mpampiasa indrindra tamin’iny taona lasa iny. « Efa sarotra ny mitady anarana k any vadiko no naniry ny hoe Jade no atao anaran’ny zanankay vao teraka » hoy i Thomasa vadin’i Betty. Betsaka noho izany no nitovy fisainana tamin’izy mivady ireto ny amin’ny ho atao anaran’ny zanany. Tsy latsa-danja ihany koa ny anarana hoe “Léo” isan’izany ny zanak’i Djha. « Tiako ho anarako ilay izy dia nataoko anaran’ny zanako » hoy izy.
