Chine : Ahitana trangan’ny Covid-19 indray ao Wuhan
Hisy fitsirihianan’aretina ao amin’ny Wuhan tanàna afovoan’i Chine hoy ny tompon’andraikitra ao amin’ny toerana ny talata 3 jolay teo. Antony ny fahitana tranga Covid vitsivitsy indray raha ny loharanom-baovao.Tsiahivina fa tao amin’ity tanàna ity no nisehoan’ny valan’aretina voalohany tamin’ny taona 2019. Tsy nisy tranga vaovao intsony nefa tao an-toerana nanomboka ny mai 2020 hatramin’ny alatsinainy teo. Tranga 3 no voamarina tamin’izany. Misy mponina 11 tapitrisa nefa ao amin’ity tanàn-dehibe ka ahiana ny fianak’izany indray.
