ActualitésTatitra

Etats-Unis : Maniry ny ho lasa filoham-pirenena ao an-toerana i Arnold Schwarzenegger

Mpilalao sarimihetsika tsy misy vina amin’ny rehetra intsony i Arnold Schwarzenegger. Rehefa niditra teo amin’ny sehatra ara-politika izy dia nanatevin-daharana ny antoko repoblikanina. Lany governora faha-38 tao Californie ny 17 novambra 2003 ny tenany ary mbola lany indray ny 7 novambra 2006 ka nijanona teo amin’ny fitantanana hatramin’ny 3 janoary 2011.

Nandritra ny fivahinianany tao amin’ny fandaharana « Who’s Talking To Chris Wallace ? » dia namboraka ny nofinofiny eo amin’ny tontolon’ny politika i Arnold Schwarzenegger. Maniry ny hilatsaka ho fidiana filoham-pirenen’i Etats -Unis izy raha ny fanazavana. Hitany tsara hoy izy ny paikady handreseny amin’ny fifidianana toy ny tao Californie saingy afaka ny hirotsaka ho fidiana izy manoloana ny maha teratany Autrichien azy.

Laisser un commentaire