Ambohimangakely : Notokanana ny tetezana vaovao ao Tsarahasina
Vita soa aman-tsara ny tetezana vaovao, izay foto-drafitr’asa ho an’ny fampandrosoana eny ifotony nataon’ny ben’ny tanàna ao amin’ny fokontany Tsarahasina, kaominina Ambohimangakely. Notanterahana tamin’ny faran’ny herinandro teo ny fitokanana izany, teny an-toerana.
« Ny 02 aprily 2023 no nanomboka ny fanamboarana ity tetezana vaovao eto Marofarihy, fokontany tsarahasina ity. Vita soa aman-tsara izy ankehitriny ary azon’ny daholo be ampiasaina, hanamorana ny fifamezivezena » hoy ny avy amin’ny kaominina Ambohimangakely.
« Efa ela no niandrasana ny fahavitan’ity tetezana ity. Hisaorana feno ny tomponandraikitra satria ilaina dia ilaina amin’ny fivezivezen’ny mponina izy ity, indrindra hanamora ny fitateram-bokatra ho an’ny tantsaha » hoy ireo solotenam-pokontany.
Taraty ny fandrosoana eny ifotony ny fahafitan’ny asa tahaka izao. Ny hanentanana ny mponina ao anatin’izany dia ny fahaizana mikolokolo sy fikojana izany, indraindra samy hanaja sy samy ho sarotiny amin’ny fananana iombonana.
Manitra R.
