Tsidika

Praiministra Christian Ntsay : Ho hentitra ny fanaraha-maso ny filaminana mandritry ny fetin’ny fahaleovan-tena.

Nandritry ny fivorian’ny Organe Mixte de Conception Nationale (OMCNat)  ny 22 Jona lasa teo tao amin’ny lapan’i Mahazoarivo no niresaka mikasika ny filaminana mandritry ny fety Andriamatoa Praiminisitra.

Nilaza ny Praiminisitra fa hojerena manokana ireo asa fanakorontanana mety hanoitohina ny fanakalazan’ny Malagasy rehetra ny 26 Jona na an-drenivohitra izany na ambanivohitra. Ho entitra toy izany ihany koa ny  fanaraha-maso ireo fanondranana anatsokosoko ny fananam-pirenena.

Nanamafy izay ihany koa ny tompon’andraikitry ny filaminana fa na iza na iza ka manao asa fanakorontonana dia tsy azo ekena ary ho hentitra amin’ny fampiarana ny sazy ny avy ato amin’ny tompon’andraikitra misahana ny fandram-pahalemana.

Ny fetim-pirenena araky ny maha fety iraisan’ny Malagasy rehetra azy izay dia fety anisany tena mahavory olona betsaka indindra ka ilaina ny fanamafisana ny filaminan’ny tany sy ny firenena.

Miranto Andrih

Laisser un commentaire