ActualitésTsidika

Manohitra ny fanakavahana eo amin’ny samy vita vaksiny i Madagasikara

Herinandro maromaro lasa izay no nandeha ny resaka sy niely nanerana ny nosy fa tsy eken’ireo firenena ao Europe ny vaksiny Covishield izay nampiasaina teto Madagasikara. Maro ireo diso fanantenana tamin’izany indrindra ireo mpianatra izay saika hanohy ny fianarany any ampitan-dranomasina no antony nanaovany vaksiny anefa nivoaka indray ny fanambarana fa tsy ekena ity vaksiny ity.

Nilaza ny Ministry ny raharaham-bahiny, Liva Djakoba Tehindrazanarivelo fa tsy rariny ary tsy ekena ny fanavakavahana sy fanilihana ataon’ny firenena sasany ireo olona nanao vaksiny hafa tsy mitovy amin’ny azy ireo. Nanambara ihany koa izy fa tokony hanao toy izany ihany koa i Madagasikara ary mba hanakana ireo tsy mitovy vaksiny aminy tsy hiditra eto. Nomarihiny ihany koa ireo firenena ao Europe no tsy manaiky ity vaksiny ity fa tsy ny OMS akory.

Hatreto ihany koa, mbola mapametra-panontaniana ny ankamaroan’ny vahoaka malagasy ny fomba nahatafidiran’ny filoha tany Eropa. Nanao vaksiny hafa araka ny ahiahin’ny maro ve izy ? Sa kosa tsy nanao vaksiny mihitsy araka ny nambarany tokoa ?

Ally Herisoananahary

Laisser un commentaire