Ankadikely Ilafy: Miroso amin’ny fanamboaran-dalana tanteraka ny kaominina
Mandroso hatrany ny asa fanamboaran-dalana ao amin’ny kaominina Ankadikely Ilafy. Nisy ny fintina fampahantarana ireo asa vita nataon’ireo tomponandraikitra, ny faran’ny herinandro teo.
« Efa miroso amin’ny fanamboaran-dalana tanteraka ny ato amin’ny kaominina Ankadikely Ilafy, nisy ny fahavitan’ny lalan-tany mampitohy amin’ny kaominina Sabotsy Namehana, niarahana niasa tamin’ny faritra Analamanga. Ankoatra izay, ny fahavitan’ny lalana rari-vato ao Antanandro ary ny mankao amin’ny rova mba hisarihana ny mpizahan-tany » hoy ireo tomponandraikitra avy amin’ny kaominina.
« Ireo fanamboaran-dalana tato anatin’ny kaominina moa dia marihina fa avy amin’ny volan’ny kaominina madiodio no nampiasana izany. Ary efa tafiditra tanteraka ao anatin’ny fanambin’ny ben’ny tanàna ny hitondra fanamboarana ireo lalana » hoy hatrany ny fanazavana.
Ao anatin’ny asa fampandrosoana ny kaominina ny asa fanamboaran-dalana. Anisan’ny himasoan’ireo tomponandraikitra ihany koa moa amin’izao fotoana izao ny fanalana ny fako amin’ny fampiasana ireo fitaovana isan-karazany.
Manitra R
