ActualitésTsidika

Fahaiza-mahandro : Hahazo sehatra mandritra ny herinandro ao amin’ny Radisson Blu ny sakafo avy any Turquie

Hahazo laka mandritra ny herinandron’ny 21 hatramin’ny 27 mey izao indray ry zareo Turc. Hisy ny hetsika natokana manokana ho azy ireo ao amin’ny Radisson Blu Water Front Ankorondrano. Efa andiany faharoa ity « semaine culinaire turque eto Madagasikara » ity. Arakaa izany dia afaka manandrana izany avokoa ny rehetra izay liana amin’ny fahaiza-mahandron’ny Turquie.

« Amin’ity andiany faharoa ity dia omena sehatra ny faritra Antakya ao Turquie. Ny fomba famelarana io latabtra sy ny fanaingaoana azy io no tena mampiavaka azy ireo ka h hita mandritra ny hetsika izany. Tsy amabakan’izany anefa ireo sakafo izay tena be mpankafy tokoa. Anisan’ny mampiavaka ireo sakafo ao an-toerana ny fomba fandrahoana nentim-paharazana ka ho heno amin’ireo sakafo ireo izany », hoy ny avy ao amin’ny Masoivohon’ny Turquie eto Madagasikara.

« Tsy vitan’ny hoe isakafo fotsiny fa sady mahalala tantara vaovao ihany koa amin’ity hetsika ity. Efa nanatrika ny andiany voalohany fa tena mahaliana ary efa manomana programa mihitsy izao ka tsy maintsy handalo any an-toerana », hoy i Brenda, mpankafy kolontsaina Turc.

Raha hisakafo, hahalala tantara vaovao ary hifampizara fahaiza-manao dia azo atao ny mandeha eny an-toerana. Ny sabotsy izao vao hifarana izany hetsika izany. Marihina fa ity herinandro ho an’ny sakafo avy ao Turquie ity dia hankalazaina amin’ny firenena miisa 260 maneran-tany.

Miora Raharisolo 

Laisser un commentaire