ActualitésTatitra

Seychelles : Hovatsian’ny Emirats vola ilay seranam-piaramanidina vaovao

Ho halebiazin’i Seychelles ny seranam-piaramanidiny noho ny fitomboan’ny fifamoivoizan’ny fiaramanidina ao an-toerana. Asim-pianitarana ny toeram-piantsonan’ny fiaramanidina sy ny trano fiantsonana ary hisy ny fananganana hotely ao amin’ny faritry seranana raha ny fanazavana. Hatreto mantsy dia fiaramanidina 6 no zakan’ny toeram-piantsonana saingy manoloana ny haleben’ny fiaramanidina dia 3 sisa izy ireo no afaka miara-mipetraka ao amin’ny seranana.

Fahita matetika ao Seychelles ny fiazonana ny fiaramanidina tsy hipetraka amin’ny tany mandrapaha malalaka ny toerana ao amin’ny seranana. Isan’ny mandany solika betsaka nefa izany raha ny fanazavana. Ireo jets privés koa dia tsy manana toerana voatekana ao amin’ny seranana ka voatery manainga avy hatrany vantany vao avy mametraka ny mpandehany.

Hovatsian’ny Emirats Arabes Unis kosa vola io tetik’asa fanitarana ny seranana io. Efa nanainga omaly 11 may niazo an’i Abu Dhabi ny filohan’i Seychelles sy ireo minisitra samihafa mpiaradia aminy hanatanteraka ny fanaovan-tsonia miaraka amin’ilay mpanefoefo, Emir Ben Sayed, filohan’ny Emirats.

Laisser un commentaire