Sabotsy Namehana : Mpivarotra rongony iray tratra teo amin’ny fiantsoan’ny taxibe
Mpivarotra rongony iray antsoina hoe Papelika no tratran’ny zandary avy amin’ny tobi-paritra Sabotsy Namehana, nivarotra rongony, teo amin’ny toeram-piantsonan’ny taxibe, tao an-toerana. Tsy nanana ahiahy tamin’ny fivarotanana zava-mahadomelina tao an-toerana izy, ka nandraisana fepetra avy hatrany.
« Olona tsotra teo amin’ny manodidina no sahy nitoroka avy hatrany tamin’ny zandarimaria rehefa nahita ny zavatra nataony. Nandray fepetra avy hatrany mpitandro filaminana vao naheno izany ka nisambotra azy avy hatrany » hoy ny avy amin’ny mpitandro filaminana.
« Mbola tratra teny aminy ny kitapo iray feno ireo entam-barotra (rongony) miisa 56 fonosana. Tao anatin’ny fanadihadiana natao azy ihany koa no nahafantarana fa sady mifoka izy no mivarotra » hoy hatrany ny fanazavana.
Ilaina ny fahasahiana mitoroka amin’ny fahitana trangan-javatra tahaka izao. Anisan’ny zava-doza, manimba ary mampahantra ny tanora ny zava-mahadomelina. Manantena fiaraha-miasa amin’ny olon-tsotra hatrany ny mpitandro filaminana amin’ny filzam-baovao mahakasika ny tranga toa izao.
Manitra R.
