ActualitésTatitra

Italie : Fiara vaventy nitatitra « bouteilles d’oxygène » iray no nirehitra tao Milan

Fiara vaventy nitatitra « bouteilles d’oxygène » iray no nirehitra tao Milan ny herinandro lasa teo. Niteraka fipoahana goavana ary nampisavoritaka ny mponina tao Porta Romana izany. Vetivety ihany dia niteraka setroka mainty goavana io fipoahana io raha ny fanazavan’ireo nanatrimaso ary nanamafy izy ireo fa « bouteille d’oxygène » nirehatra no nitarika io fipoahana io.

Tafavoaka ny fiara talohan’ny nipoahana ny mpamily ilay fiara vaventy ka avotra soa aman-tsara. Naratra kosa izy saingy tsy atahorana ny ainy. Tsy nisy ny aina nafoy noho io loza io saingy fiara maro niantsona tamin’ny toerana nisehoan’izany no may ary trano sy toeram-pivarotana fanafody iray no nihitaran’ny afo.

Laisser un commentaire