SportTatitra

Europe : Nitsahatra noho ny gafy ny lalao Nice-Marseille

Efa 15 minitra tsy hitsaharan’ny lalao tao amin’ny kianjan’i Allianz-Riviera no nisy nitoraka ireo mpilalaon’ny Olympique de Marseille. Efa nanao fampitandremana ireo tompon’andraikitra saingy tsy nitsahatra izany. Raha ny fanazavana dia ireo mpanohana ny Nice no nanao ity fihetsika ity, 32 607 teo moa ny mpijery tao an-toerana ka tsy hita ho faritana izany.

Teo amin’ny minitra faha 75 no raikitra ny korontana. Rehefa haka ny baolina handaka ny « corner » iny i Dimitri Payet no nisy nitoraka tamin’ny tavoahangy ny lamosiny. Nitsarara tamin’ny tany noho ny fanaintainana izy ary rehefa tafatsangana dia namerina nitoraka izany tany amin’ny nandefa azy. Tafiditra tao amin’ny kianja mihitsy ireo mpijery ka raikitra ny fifandonana. Manoloana izany dia tsy nety hanoy ny lalao intsony ireo Marseillais. Marihina fa nitarika 1-0 ny OGC Nice.

Laisser un commentaire